VOKATRY NY FILALAOVANA FINDAY

Mihabetsaka ireo ankizy mangalatra amin’ny Ray aman-dReniny


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Azo lazaina ho zanaky ny finday ny ankizy sy ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao.

Zary lasa fiainan’izy ireo mantsy ny mampiasa ireny finday ireny hany ka mahatsiaro ho voafehy tanteraka rehefa tsy mahazo mitondra izany any an-tsekoly, indrindra rehefa tapitra tahaka izao ny fotoam-pialan-tsasatra. Ny tena mampalahelo raha araka ny fanadihadiana natao dia mitarika ny ankizy hangalatra amin’ny Ray aman-dReniny mihitsy ny fampiasany diso tafahoatra ireny finday ireny. Misy mahavita mikepoka ny saram-pianarany mihitsy mantsy ny sasany mba hividianana fahana hanaovana facebook sy hanarahan’izy ireo ireo karazan-damaody hita ao anatiny ho an’ny tovovavy. Ho ana sekoly tsy miankina iray eny Atsimondrano eny dia fantatra fa miisa 5 isan-kilasy eo raha kely ireo ankizy ao amin’ny kilasy faha-9, faha-10, faha-11 ary faha-12 manao izany isam-bolana ka misy manao izany mba hividianany sigara ny sasany. Efa voaraoka any am-pianarana ny zanany vao tonga saina ireo Ray aman-dReny sasany saingy efa tara loatra. Efa banga tapa-bolana mantsy raha kely ny fotoana tsy nianaran’ilay ankizy tany am-pianarana….Miantso ny Ray aman-dReny mba hanara-maso ny fampiasan’ireo menaky ny ainy finday araka izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tsy voatery ho ratsy mantsy ny fampiasana azy ireny saingy ilana fifehezantena kosa hisorohana ny fahadisoam-panantenana mety hahazo ireo Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Ahitana zavatra mahasoa nefa mety mampidi-doza koa ny filalaovana finday diso tafahoatra hataon’ny ankizy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT