VOKATRY NY FANOLANANA

« Miteraka fahavoazana ara-tsaina, manapotika fiainana iray manontolo »


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Mahazo vahana tanteraka ny fanolanan-jaza eto amintsika.

Tsy hanavahana intsony izany na zazakely na olon-dehibe, antony nanosika an’ny Dokotera Fidy Bariniaina hanazava izay mety ho voka-dratsin’izany tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambarany fa fahafatesana mbola kely ny taovam-pananahan’ny zaza no mety ho voka-dratsin’izany ankoatra ireo takaitra hafa. Rovitra ny tsinay ka mandeha mankany amin’ny lalan-jaza ny maloto. Rovitra koa ny tatavia ka mandeha mankany amin’ny lala-jaza ny fivalanan-drano. Maimbo mandavam-taona ilay ka hahiliky ny fiaraha-monina , na ny fianakaviany mihitsy aza. Simba ihany koa ny tranon-janany ka mety tsy hiteraka intsony izy na hiteraka zaza an-tsoso-koditra ka na tsy maintsy didiana na maty raha tsy fantatra izany. Maro koa ireo aretina mety ho azony nandritra ny fanolanana. Anisan’izany ny SIDA sy ny maro hafa . Mety hisy marary mandavan-taona koa vokatry ny takaitra. Tsy lazaina intsony ny vohoka tsy niriana sady tsy voahomana ka manjary vesatra ho azy sy ny fianakaviana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fahavoazana ara-tsaina sy ny fihetseham-po izay miteraka tahotra, alahelo ,fahakiviana mandavan-taona hany ka manjary sakana eo amin’ny fifandraisana aman’olona, tokantrano,fianarana, asa…izany. Ny mahaolona azy mihitsy no simba tanteraka hoy hatrany Dokotera Fidy izay mitarika mankany amin’ny fahapotehan’ny fiainana iray manontolo mihitsy.
Pati
Legende : Dokotera Fidy Bariniaina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT