Vokatry ny fandripahana ala

Nihena 30-40 taonina isan-taona


  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

sisa ny tantely haondrantsika

Tsy mitsaha-mihena ny vokatra tantely eto Madagasikara. Tany amin’ny 80 taona tany ho any anefa dia nahatratra 60.000 Taonina ny vokatra tantely teto amintsika, raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Fiompiana sy ny jono Randrianomenjanahary Riana Nantenaina. Niantoka izany vokatra tsara izany ny hatsaran’ny tontolo iainana sy ny fahaizan’ny olombelona nanaja izany. Nihanitontongana tsikelikely anefa izany vokatry ny fandripahana ny ala izay tena mitahiry sy mamelona azy ireny. Toraka izany koa ny doro tanety ka mahalany taranaka ny tantely sy manosika azy ireny hifindra monina. 3 ka hatramin’ny 4.000 taonina sisa vokatr’izany ireo vokatra tantely rehetra eto Madagasikara raha hatontaly ka ny 30 ka hatramin’ny 40 taonina amin’io no azo haondrana isan-taona. Mahavokatra 11 ka hatramin’ny 15 kg kosa ny tohotra iray. Miantso ny olombelona rehetra hahay hikajy sy hanaja ny tontolo iainana araka izany ny Ministra. Raha tanteraka izany hoy izy dia hanova zavatra betsaka sy maro loha. Tsy ny tantely irery no ho voaaro fa ireo karazam-biby maro mivelona any anaty ala mampiavaka antsika eto Madagasikara. Marihina fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny fiompiana tantely eto Madagasikara. Ao anatin’ny paikady fampandrosoana ny sehatra dia kendrena ny hampitombo ny famokarana, hanatsara ny varotra ary hiaro ny tontolo iainana iankinan’ny fiompiana tantely. Anisan’ny tanjona ihany koa ny fanamafisana ny fahaizan’ny mpiompy sy ny fitantanana ity lalam-pihariana iray ity. Ankoatra ny tantely dia azo avadika ho vokatra manana sanda ara-barotra ny savoka, kosmetika ary savony azo avy aminy ka manampy amin’ny famoronana asa sy ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny mponina.
Pati

 

Legende : Mila fiarovana ny vokatra tantely eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT