VOKATRY NY FAHASAHIRANANA

Mitombo isa ireo tovovavy mitady vady vazaha


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Mitombo isa isan’andro ireo tovovavy mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera Facecook amin’izao.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitantana cybercafé iray eto an-drenivohitra dia mahatratra 40 eo ho eo raha kely ireo tovovavy tonga ao aminy isan’andro. Manodidina ny 14 taona ka hatramin’ny 25 taona eo ho eo ny ankamaroan’izy ireo. Mahalany ora iray eo ho eo ny tovovavy iray mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ka misy ireo mahita raha misy ihany koa ireo tsy mahita. Raha araka ny fanazavan’ity mpitantana cyber ity hatrany dia tanora mpianatra ny ankamaroan’izy ireo no sady zanaky ny sahirana. Leo ny fahantrana toy ny fandehanana an-tongotra mandeha mianatra isan’andro, ny fihafiana amin’ny sakafo atoandro, ny tsy fananana finday tsara tarehy hampiasaina ary koa tsy fahafahana manaraka lamaody izy ireo ka lasa manaotao foana. Misy amin’ireo tovovavy kely ireo moa no efa mivaro-tena ankolaka amin’ny endriny maro samihafa mihitsy hoy hatrany ity mpitantana cyber ity.
Pati
Legende : Lasa manaotao foana amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny ankamaroan’ny tovovavy Malagasy noho ny fahasahiranana ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT