Vokatry ny fahantrana

Mihamitombo ireo vehivavy mpivaro-tena


  • Zoma 10 Janoary 2025

Mihamitombo ireo vehivavy mpivaro-tena mijorojoro eny amoron-dalana vokatry ny fahantrana sy ny tsy fisian’asa,

raha araka ny fanadihadiana natao. Ankoatra ny eny Tsaralalana dia efa saika ahitana azy ireny avokoa ny faritra maro ivelan’Antananarivo renivohitra toy ny eny Itaosy, Andoahatapenaka, Antohomadinika,…Ho an’ny eny Andohatapenaka manokana dia fantatra fa mitombo isa isan’andro izy ireo. Noho ny tsy fisian’ny asa no voalaza fa antony mahatonga izany. Vehivavy efa saika niteraka ny ankamaroan’izy ireny ka iray raha kely ny zanany. Mitombo ireo mpifaninana amin’ny asa fivarotantena vokatr’izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsiahivina moa fa na izy ireny aza dia samy mahatsapa fa mety hahafaty ny fanaovana asa fivarotantena indrindra raha tsy mampiasa fitaovana toy ny kapaoty. Na ny rano alaina hikarama hanasana lamban’olona aza anefa hoy ny sasany tsy misy ka tsy hitany intsony izay hatao. Ny hany hangatahin’izy ireny dia ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana ny tontolon’ny asa eto amintsika, indrindra fa ny mba hahafahan’ny rehetra manao izany eny fa na dia ireo tsy manana diplaoma aza.
Pati
Legende : Mety hampihanaka haingana ny aretina SIDA eto amintsika ny asa fivarotantena !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT