VOKATRY NY DELESTAZY

Mitombo ny fampiasana saribao


  • Alarobia 30 Oktobra 2024

Malagasy Mahazo aina tanteraka ireo mpivarotra saribao na arina fandrehitra eto amintsika amin’izao.

Hatramin’ny nisian’ny fahatapahan-jiro lavareny no mankaty mantsy dia lasa mampiasa saribao avokoa ireo ankamaroan’ny tokantrano Malagasy zatra nampiasa fatana mandeha amin’ny herinaratra teo aloha. Nitombo tapa-gony isan’andro eo ho eo no lafony raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray mpivarotra saribao teny Atsimondrano teny. Amin’ny ankapobeny mantsy dia iray gony eo ho eo no lafon’ny mpivarotra iray isan’andro raha amoron-dalana sy be olona ilay toerana. Niakatra ho iray gony sy tapany izany ankehitriny. Tsiahivina moa fa efa 30.000 Ar ny iray gony amin’ny saribao amin’izao raha efa misy mahatratra 35.000 Ar ny sasany. Tsy mahazo iray famarana intsony noho izany 200 Ar fa efa 500 Ar vao miresaka no sady mbola zara raha misy ihany koa. Mety mbola hiakatra 1000 Ar aza ny famarana hoy ity Renim-pianakaviana mpivarotra ity raha vantany vao milatsaka tsy miato eo ny ranon’orana noho ny tsy fisian’ny lalana sy ny tsy fahafahan’ireo mpanao saribao mamokatra ara-dalana. Ankoatra ny any amin’ny lalam-pirenena faharoa moa dia anisan’ny mamatsy saribao antsika eto an-drenivohitra ihany koa ny any amin’ny lalam-pirenena fahafito.
Pati
Legende : Mahalany saribao 2000 Ar isan’andro ny tokantrano iray raha kely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT