VOKATRY NY DELESTAZY

Lasa mampidina ny saran’ny fanaovam-bolo ny mpanao volo


  • Zoma 11 Oktobra 2024

Mafy ny mahazo ireo mpandraharaha madinika sy vaventy eto amintsika vokatry

ny fahatapahan-jiro lavareny. Ho ana Renim-pianakaviana mpanao volo iray dia nambarany fa nitontongana tanteraka ny fiainany sy ny ankohonany hatramin’ny nampahazo vahana io delestazy io eto amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo io. Raha mba nampiditra 50.000 Ar isan’andro mantsy izy teo aloha dia tsy misy afa-tsy 20.000 Ar sisa amin’izao. Tsy ny mpanao volo no tsy misy hoy izy izay mahatratra 7 na 8 isan’andro eo ho eo fa ilay herinaratra hiasana. Tsy maintsy tambatambazana araka izany ny mpanjifa mba hiandry, koa raha tokony ho 10.000 Ar no alohan’ny vehivavy iray dia lasa hahidina ho 7.000 Ar izany. Mihena ny vola miditra ao an-tokantrano vokatr’izany. Ho an’ity Renim-pianakaviana ity hatrany dia voatery nafindrany any amin’ny sekoly moramora saram-pianarana mihitsy ny zanany mba tsy hisian’ny olana hitranga aoriana kely ao. Tsy ny mpanao volo ihany fa tena lasibatra sy mikaikaika ihany koa ny mpanao mofomamy. Raha nahavita nanamboatra mofomamy miisa 30 mantsy ireo mivelona amin’izany teo aloha dia tsy misy afa-tsy 6 sisa ankehitriny. Noho ilay delestazy maharitra adin’ny 8 isan’andro isam-paritra avokoa no mahatonga izany.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo mpanao volo eto amintsika amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT