Homena lanja manokana ny vita Malagasy mandritra ilay hetsika karakarain’ny SIM ny 11 ka hatramin’ny 14 septambra izao. Betsaka ireo manomboka liana amin’ny vokatra vita avy eto Madagasikara.
Mbola olana anefa ny tsy fahampian’ny fampahafantarana ho an’ireo mpanjifa isan-tsokajiny. Maro ankehitriny ireo orinasa Malagasy izay azo lazaina fa efa mametraka ny laharam-pahamehany ho an’ny mpanjifa eto anatiny, ka tsy mitsahatra manatsara hatrany ny vokatra asehony. Noho izany indrindra no anton’izao hetsika izao raha ny nambaran’Atoa Raveloson Stephane filohan’ny SIM. Etsy an-daniny, ny vokatra avy any ivelany izay miditra eto Madagasikara dia tsy mitsaha-mitombo ary azo lazaina fa tena manimba ny vokatra vita Malagasy, hoy hatrany ity mpikarakara ny hetsika ity. Ankoatra izay, mampitaraina ireo mpandraraha Malagasy ny tsy fandraisana andraikitry ny fanjakana manoloana ireo entana vita sinoa tafiditra mora foana eto Madagasikara nefa ny entana avy eto sarotra vao tafavoaka, indrindra fa vokatra efa voahodina. Na izany aza anefa, hoy izy dia efa miverina tsikelikely ny fahatokisan’ny Malagasy ny vokatra vokarina avy eto ary tokony hitady ny fomba rehetra ny fitondrana mba hanomezan-tanana ny fampiroboroboana ny indostria Malagasy satria efa manomboka tafapaka tsikelikely eo amin’ny Malagasy izany hoe lanjan’ny vokatra vita eto an-toerana izany. Ilaina ny fametrahana rafitra mazava, hoy ihany izy ary ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hisy tsy ho ela ny federasionin’ny Indostria Malagasy.tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.