VOKATRA DRAKAKA AO MAHAJANGA

Mbola misy tahiry 600 T, mitaraina ireo mpitandraka madinika


  • Talata 25 Febroary 2025

Sinoa mpanam-bola miisa 3 no fantatra fa tena mpandray ireo vokatra drakaka avy

amin’ireo mpitrandraka madinika ao Mahajanga amin’izao fotoana izao. Misedra olana anefa izy ireo noho ny tsy fivoahan’ilay taratasy « autorisation d’exportation » hahafahan’iretsy voalohany manondrana ny vokatra mankany ivelany, andrasana eo anivon’ny Ministera tompon’andraikitra. Misy fiantraikany mivantana any amin’ireo mpandraharaha madinika izany. Tsy misy maka intsony mantsy ny vokatr’izy ireo nefa saika nihindram-bola tany amin’ny banky, nivaro-pananana…ny ankamaroan’izy ireo nidirana teo amin’izany sehatry ny fandraharahana ny hazan-dranomasina drakaka izany. Hatreto dia mbola manana tahiry vokatra drakaka 600 T ireo tera-tany Sinoa ireo, mihitsoka fotsiny anaty vata fampangatsiahana ao Mahajanga ao. Efa nisy moa raha ny fantatra ny fihaonan’ireto mpandraharaha madinika mpitrandraka drakaka ao Mahajanga ireto tamin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana saingy mbola nijanona ho resaka ambony latabatra fotsiny ihany izany. Miantso ny Ministera mba hirotsaka an-tsehatra mivantana amin’izay araka izany izy ireo hahafahana mitady ny vahaolana maharitra mikasika ny asa fandraharaha sahanin’izy ireo. Tsiahivina moa fa tamin’ny datin’ny 15 Desambra teo no nisokatra ny taom-panjonoana sy fivarotana drakaka.
Pati
Legende : Jerem-potsiny ny drakaka ao Mahajanga ao amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT