Manimba ny lazan’ny vita malagasy ireo mpanao hosoka»
Mpamokatra vokatra natoraly natao hanasoavana ny vatana ary vita avy amin’ny voankazo sy ny zava-maniry ny vokatra Antsoa, izay hankalàza ny faha 5 taona nisiany amin’ity taona ity, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo nandritry ny fampirantiana ireo vokany tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny sabotsy teo. Tsy misy hohanina, hoy ny mpitantana ny orinasa, Iriantsoa Andrianady Randrianjatovo, ireo vokatra ireo fa ahosotra amin’ny vatana na volo na tarehy na hoditra. Manasitrana ny olana rehetra eny ivelany, hoy izy. Eo ny maha fikojàna endrika amam-bika na «produit cosmétique» fa eo koa ny fikojàna ny fahasalamàna. Misy manasitrana aretin’andoha, fanimpanina, fiakarana sy fidinan’ny tosidrà, izany hoe, afaka miara-miasa amin’ny fanafody omen’ny Dokotera koa ireo. Sedra nolalovana tao anatin’izay 5 taona izay ny fahasarotan’ny fahafaha-manafatra entana avy any ivelany. Ny lafiny famonosana ny vokatra izao dia misy vokatra lasa miovaova ny fonony noho izay fahasarotana izay. Manimba ny lazan’ny vita malagasy ireo mpanao hosoka. Voaloto hatramin’ireo tena miezaka mamoaka vokatra tsara kalitao. Miezaka ny tena mpamokatra mamokatra tsara sy manome vidiny sahaza ho an’ny malagasy rehetra ary tsy dia manova be ny fonony na eo aza ny fahasarotana amin’ny fanafarana. Miantso ny tompon’andraiki-panjakàna mba hijery ny hahafahana mampalalaka kokoa ny fanondranana sy fanafarana entana eto Madagasikara. Tokony jerena koa ny fanalefahana ny hetra ho an’ireo mpandraharaha malagasy fa tena ambony loatra ary sahirana ireo mpandraharaha vao manomboka satria tena kely ny tombony azo. Zava-maniry avy eto an-toerana ary natoraly 100% no mameno ny vokatra ato. Ao ny vita amin’ny Tiarea, ohatra, na raketa afarana any Toliara mihitsy. Sira sy afo no itehirizana ny vokatra ahazoana ireo kalitaony ireo, hoy hatrany ny fanazavàna, fa ny fonon’ny entana ihany angamba no tsy avy eto.
J. Mirija
Légende: Santionan’ireo vokatra tena izy an’ny Antsoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.