Fahoriana, fijaliana, ary vola lany no niainan’ingahy “Veve” ny taona 2012 vokatry ny famonjana azy tsy fidiny tamin’ny fitoviana solon’anarana fotsiny.
7 volana izy no nofonjaina vonjomaika izay tsy tao Toamasina nitrangan’ny fisamborana fa teny Antanimora. Noho ireo fikarohana ny marina izay nahalany vola azy mihitsy dia nipoitra ihany izany ka voasambotra ilay tena “Veve” jiolahy notadiavina. Raha hiverenana ny tantara dia nandritra ny fakana an-keriny ny zanaka karana tompon’ny orinasa mpanamboatra savony tao Toamasina “SKT”, no nahatonga ilay anarana “Veve” nipoitra. Tsy nitady lavitra intsony ireo zandary nisahana ny raharaha tamin’izany, fa ity “Veve” tao Mangarivotra ity no avy hatrany no nosamborina. Efa nahazo ny taratasy rehetra “Attestation de non-culpabilite” sy ny “Attestation de distinction” tamin’ny zandary nisambotra azy izy hatramin’ny volana febroary 2013, ary ny “Attestation de bonne conduite” teo anivon’ny fokontany misy azy. Ankehitriny, izay mihitsy no antony nanaovany fanazavana izao, fa manomboka miverina indray ilay anarana “Veve” amin’izao tsy mbola famoahan’ireo mpaka an-keriny ny zanak’Atoa Rafik tompon’ny tranombarotra IST Mangarano, izay anaovan’ireo fianakaviany antso ny hamotsorana azy amin’izao fotoanan’ny “Ramadan” izao
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.