Vokadratsin'ilay haintrano

Nivelona tamin'ny zaitra, rava fivelomana ilay ankohonana


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Zava-doza ny fiantraikan’ilay haintrano nitranga tetsy Andohalo afak’omaly Alarobia 28 Aogositra

ankoatra ny nahafatesan’izy 3 mianaka izay Ramatoa lehibe 68 taona ny iray ary zaza miisa roa ny ambiny. Ankohonana iray mivelona amin’ny zaitra mantsy no fantatra fa rava fivelomana tanteraka. Miverina any amin’ny fihariany toy ny tany amin'ny 30 taona lasa indray izy ireo raha ny fantatra, fianakaviana iray fanta-daza amin'ny fanjairana akanjo fitondra mianjaika eny Andohalo eny. Tao anatin’ilay trano ity ankohonana ity no nipetraka. Tao ihany koa ny toeram-panjairany sy ny fandraisany olona raha tsy lazaina intsony ireo akanjon’olona efa vita sy vao hozairina miaraka amin’ireo milina indositrialy fampiasany. Eny amin’ny arabe sisa amin’izao vokatr’izany no maka ny refin’ireo mpanjifany Atoa Rafamantanantsoa mpanjaitra izay tsy kivy na dia mafy aza ny sedra hiainany.
Pati
Legende :
Sady hamoizana aina no mamotika fiainan’olona hatrany ny haintrano amin’ny ankapobeny . 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT