huile lourde » ho solika ny manam-pahaizantsika
Mahavita zavatra ny manam-pahaizana Malagasy ! Nanamafy ny fampahafantarana ny voka-pikarohana nataony, dia ny famadihana ny menaka mavesatra na « huile lourde » ho lasa solika na « fuel » sy « carburant » ny Pr Solofo Jonis, izay nasehony ny Filoham-panjakana Randrianirina Patrick ny alarobia teo, ka nanolorany ihany koa ny antontan-kevitra mikasika izany. Efa natolotra ny Minisitera misahana ny harena stratejika ka hojerena. Efa an-taonany maro no nanombohany ny fikarohana sy nahitany vokatra, saingy tsy nohenoin’ny fitondrana teo aloha, nenjehina izy noho ny tsy fisian’ny lalàna mikasika izany,… « Nanomboka ny 2016-2021, fiara maro no nampiasaina no nampiasaina nanjifa an’io, traktera maro tany Ambatondrazaka, fa tsy nisy na iray aza nitaraina. Mila apetraka ny lalàna satria tsy mbola nisy hatramin’izay, tsy mbola nisy teto Madagasikara namadika huille lourde ho lasa « fuel », ho lasa « carburant », ka afaka mamokatra ny rehetra fa tsy izaho irery ihany », hoy i Pr Solofo Jonis, izay nanipika fa hiteraka tombony lehibe, hitondra volabe io. Hitondra fahaleovantena amin'ny solika, delestazy, fanaovana ho "goudron" ny lalana rehetra, hampihena ny fivoahan'ny vola vahiny, hanome asa ny tanora, hampitombo betsaka ny hari-karena, hoy ny mpandinika. Nanamafy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, fa ezaky ny Fanjakana ny fanomezana sehatra ny manam-pahaizana Malagasy sy ny fanetsehana ny fahaiza-manao sy ny loharanon-karena ato anatiny. « Ny resaky ny olona hatramin’izay dia ny hoe : avy any ivelany foana ny vola hamonjena an’i Madagasikara, fa ny anay ny finoanay dia hoe : manan-karena ary misy manam-pahaizana ity Firenena ity. Natolotra ny Fanjakana ny tetikasa, ary hisy fijeren’ny Fanjakana an’izany. », hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. Namafisina, fa na ny fahaizana na ny harena dia eto Madagasikara daholo, ka dia miandry fanandramana.
TSIMIRORO SY BEMOLANGA : HOSITRAHANA AMIN’IZAY ?
Tombanan’ny manam-pahaizana ho 1,7 miliara barila na 270,3 miliara litatra ny tahirina « huile lourde » ao Tsimiroro, izay azo havadika ho solika (fuel, carburant), raha ity fikarohan’ny manam-pahaizana Malagasy ity. Mitombam-bidy 102 miliara dolara ny lanjany raha kely. Na izany aza, mbola feno ny fitahirizana satria tsy mitovy amin’ny famokarana isan’andro ny tahan’ny mpividy. Ny Mada Oil no efa miandraikitra ny fitrandrahana, ary afaka manaratra hatramin’ny 87 000 barila isan’andro. 5% amin’izany no ilain’ny Jirama, ka afaka manampy amin’ny famahana ny olan’ny delestazy. 22% kosa no mety hahafeno ny filàn’ny Malagasy amin’ny resaka solika, raha ny tombatombana. Ny any Bemolanga, tombanana ho misy 10 miliara barila sokajiana ho « huile extra lourde ». Raha kely amin’izany aza no trandrahina, dia efa ampy handrakotra ny nosy manontolo amin’ny lalana « bitumée » na tara. Voasokajy ho isan’ny tsara indrindra eto Afrika ny solika eto satria latsaky ny 0,3% ny tahan’ny « soufre » ao anatiny. Asa mba ho efa afaka hisitraka sy hioty an’i Tsimiroro sy i Bemolanga araka ilay hiran-dry Mahaleo hoe : « Rahoviana no hitranga, asa angamba atsy ho atsy ! No ho tonga i Bemolanga, dia isika tsy ho lany vatsy » ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.