Actualités

Voka-panadinana BEPC Mbola ho tononina tahaka ny tamin’ny taon-dasa ny an’Antsirabe


  • Zoma 08 Aogositra 2014

Raha efa mifaly avanja sy miandry “arrosage” ary samy nilaza daholo fa andeha haka fialan-tsasatra amin’izay, ireo mpiadina nahatratra 53,54 % afaka ny fanadinanana BEPC 2014, ho an’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo-Renivohitra dia mbola mitaintaina toy ny saobakaka ambody riana kosa ny mpiadina ao any Antsirabe Vakinankaratra.

. Araka ny vaovao fantatra mantsy dia mbola ho tononina mivantana (toy ireny “proclamation” fanadinanana famindrana kilasy any an-tsekoly ireny) ny voka-panadinana any an-toerana ka ny eo anivon’ny Cisco-Antsirabe no hanatanteraka izany toy ny tamin’ny taon-dasa ao amin’ny Epp Mahazoarivo  manomboka anio amin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 7 ora hariva ary ny ampitso  sabotsy vao hatao peta-drindrindra ho azon’ny besinimaro ho jerena izany. Fandaminana tahaka ny fandaminana rehetra ihany izany fa ny fahafaham-panadinana no tena zava-dehibe !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT