Mitohy hatrany ny fiantraikan’ny
orambe tsy nisy fitsaharany nanomboka ny 24 novambra 2025 teto Madagasikara. Araka ny tatitra farany navoakan’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy Tandindondoza (BNGRC) omaly 7 janoary 2026, faritra roa no voakasika mafy amin’izao fotoana izao: Analamanga sy Alaotra Mangoro. Distrika 11 sy kaominina 12 ao anatin’ireo faritra 2 no isan’ny tena lasibatra, raha distrika 8 sy kaominina 10 ihany no voakasika tamin’ny 6 janoary. Raha ny antontan’isa, miisa 11 ny namoy ny ny ainy vokatry ny fianjeran-trano sy ny varatra, ary olona 6 no naratra, tsy misy kosa olona nentin’ny rano. Niakatra be ny isan’ny traboina: raha 274 izany tamin’ny 6 janoary dia tafakatra ho 2 270 olona na tokantrano 602 tamin’ny 7 janoary. Amin’izy ireo, olona 1 365 no voatery nifindra toerana, ka maherin’ny 1 200 no nampidirina amina toeram-pialofana 7, ary ny ambiny kosa nankany amin’ny fianakaviana na mpifanolo-bodirindrina. Nitombo ihany koa ny fahasimban’ny fananana: trano 365 no dibo-drano raha 13 izany ny andro teo aloha, trano 33 no simba raha 2 teo aloha, ary trano 107 no rava tanteraka raha 24 tamin’ny 6 janoary. Ireo tarehimarika ireo dia manaporofo fa mitombo haingana ny voka-dratsin’ny orambe amin’ny faritra voakasika, ka mampitombo ny filàna fandraisana andraikitra haingana sy hentitra avy amin’ny manampahefana sy ny fiaraha-mientan’ny vahoaka amin’ny fanampiana sy fiahiana ireo tra-boina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.