Actualités

Voka-dratsin’ny rivodoza Tafiakatra 7 ny maty, 35 001 ny traboina Tafiakatra


  • Alarobia 25 Janoary 2023

7 ny isan’ireo olona namoy ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, ary 13 kosa ireo tsy hita popoka, izay nisy fihenany iray,

araka ny tatitry ny BNGRC na ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza omaly 24 janoary tamin’ny 8ora alina. Mikasika ireo namoy ny aniny dia tany Analanjirofo 1, Betsiboka 2, SAVA 2, Sofia 1, ary Vatovavy 7. Niakatra ho 35 001 ihany koa ny olona traboina, izay avy amin’ny tokantrano miisa 8 456. Olona 14 413 na tokantrano 3 479 no voatery nafindra toerana vonjimaika. Trano 500 no rava tanteraka raha toa ka 10 066 no dobo-drano. Tafiakatra 55 ny isan'ireo toerana fandraisana vonjimaika ireo traboina na "Site d'hébergement" ankehitriny. Ho an’ny fahavoazana ara-potodrafitrasa kosa, trano fianarana 45 no dobo, toeram-pianarana 54 rava tanteraka. Maro ihany koa ireo làlam-pirenena sy làlana samihafa tapaka sy potika, izay misy ny tena henjana ny fanarenana azy. Mikasika ilay rivodoza moa, dia tany amin’ny 180 Km Andrefana somary Avaratra Andrefan’i Morondava no nisy ny foiben’i Cheneso omaly tamin’ny 3ora tolakandro. Niakatra ho 80 Km/ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra manodidina ny 110 Km/ora manakaiky ny foibeny. Tsy dia nihetsika firy izy tao anatin’ny 6 ora farany. Tsy ahiana kosa ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ny 100 Km miala ny morontsiraka izy ato anatin’ny 5 andro manaraka. Noho izany dia mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 80 Km/ora ireo Distrika amin’ny morontsiraky Menabe sy Atsimo Andrefana. Entanina ny rehetra hitandrina manoloana ny toetr’andro amin’ny ankampobeny satria tena mbola mahery vaika ny rotsak’orana izay miteraka fiakaran’ny rano amin’ny faritra maro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT