Actualités

Voka-dratsin’ny rivodoza 4 maty, an’aliny traboina, faritra 6 no tena voa


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Tsy naharitra ela, fa nivoaka an-dranomasina omaly 22 febroary 2023 tamin’ny 02 ora tolakandro ny rivodoza Freddy. Betsaka ny fahapotehana sy voina nentiny,

saingy ny zava-dehibe dia tsy arakaraka ny lazany hatrany am-piandohana satria nihena ny heriny teo am-pidirana sy ny fivoahany, haingana kokoa ny fandehany nitaha tamin’I Batsirai, ka vetivety dia tafavoaka. Fahapotehana maro naterany satria fotodrafitrasa maro toy ny tranom-panjakana, tranon’olon-tsotra, làlana, andrin-jiro,… no potika. Faritra 6 teo no tena lasibatra indrindra, dia Atsinana, Vatovavy, Fitovinany, Amoron’I Mania, Matsiatra Ambony,… Tafiakatra 4 ny olona maty, ka ny 3 tamin'ireo dia ankohonana tototry ny trano tao Ambalavao Tsienimparihy Faritra Matsiatra Ambony omaly tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany maraina mahery, raha toa ka tany Mahanoro kosa ny iray izay efa notaterina teto, fa lehilahy 27 taona, dobo an-drano tany Mahanoro ny talata teo. Nahatratra 16 660 ny isan'ireo traboina avy amin'ny tokatrano miisa 483 tao anatin’ireo faritra 6 ireo. 11047 kosa ny isan'ireo olona nafindra toerana avy amin'ny tokatrano 2449. Miisa 2276 tafo ny trano simba sy ny trano dobo-drano avy amin'ny faritra efatra. Isan’ny nahitana fotodrafitrasa maro simba ny tao Ambositra, Fianarantsoa, Mananjary, Manakara, Nosy Varika,… Manentana ny olona hatrany ny eo anivon'ny BNGRC amin'ny famailona sy fanarahana fepetra apetraky ny tomponandraikitra, na dia foana aza ny filazana loko any amin'ny faritra misy azy. Omaly tamin’ny 03 ora tolakandro, dia tany amin’ny 71 Km atsimon’i Morombe no nisy ny foiben’i Freddy. Nihena ny heriny ka 45 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 55 Km/ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka miakandrefana izy ka nahafaka 35 Km/ora. Hihena miandalana ihany koa ny rotsakorana entiny (> 60 mm) any amin’ny ilany andrefan’ny nosy. Mbola hahery ny ranomasina (> 3 metatra) hatramin’ny anio vao maraina. Noho ny fikisahany manalavitra ny morontsiraka atsimo andrefan’ny nosy dia foana avokoa ny filazana loza rehatra, saingy mbola tsy afaka miandriaka ny mpiandriaka manomboka any Cap Ste Marie ka hatrany Morondava.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT