Voka-dratsin'ny orana mikija

Tafakatra 16 ny maty, 5800


  • Talata 13 Janoary 2026

mahery traboina

Mitombo haingana dia haingana ny fahavoazana ateraky ny orana mikija amin'ny faritra maro manerana ny Nosy. Manamafy an'io ny tatitra farany navoakan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC omaly alatsinainy 12 janoary 2026 tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro mikasika ny vokatry ny oram-be mahery izay namely ny firenena. Faritra efatra, ahitana distrika 13 ary kaominina 14 no voakasika mivantana. Araka ny tatitra ofisialy, tafakatra 16 ny olona namoy ny ainy: dimy tao Anjozorobe izay efatra matin'ny varatra ary iray matin’ny firodanan'ny trano, iray tao Bemasoandro Itaosy, efatra tao Soavina, roa teto Antananarivo Renivohitra, iray tao Morondava, iray tao Betioky Atsimo ary roa tao Ihosy. Tsy mbola misy olona voamarina ho nanjavona fa olona 13 no naratra ka enina teto Antananarivo Renivohitra, telo tao Antananarivo Atsimondrano ary efatra tao Ihosy. Raha ny fiantraikany amin’ny mponina, tafakatra 5 833 traboina izay avy amin’ny fianakaviana 1 518, ary 1 246 amin’izy ireo avy amin’ny fianakaviana 250 no voatery nafindra toerana. Enina amin’ireo toerana fandraisana ofisialy no mandray azy ireo ary 122 hafa kosa nandray fialofana tany amin’ny havana sy ny mpifanolo-bodirindrina. Amin’ny lafiny ara-pitaovana dia trano 1 223 no dibo-drano, 33 no simba ary 123 rava tanteraka. Manoloana ny hamafin’ny loza dia miantso firaisankina sy fanarahana ny toromarika fiarovana ny manampahefana. Efa mandeha ny asa fanadiovana sy fanarenana fotodrafitrasa ary mitohy hatrany ny fandraisan’anjaran’ny sampan-draharaha mpamonjy voina hanampy ireo mponina marefo indrindra. Misy ihany koa ny fandraisana an-tanana sy famahana olana ataon'ny rafitra hafa toy ny Faritra Analamanga izay mandritra rano toy ny eny Ilanivato,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT