Ahiana ary mananontanona amin’izao ny hisian’ny ady ara-piarahamonina ao amin’ny tanànan’i Fihaonana any amin’ny kaominina Vohilava. Resaka ady Tranoben’ny “Anterano Antany” no niandohan’ny olana
Olona iray izay vahiny nangataka fifindramonina teo an-tanàna no nahazo rariny teny amin’ny fitsarana, ary ity farany no milaza ho tompony ankehitriny, ka tezitra ny foko antemoro amin’iny faritra iny. Niakatra fitsarana ny raharaha ka nandresy teo anatrehan’ny Ampanjaka ity milaza ho tompony, raha ny loharanom-baovao avy any amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany. Tsy nanaiky izany anefa ny taranaky ny ampanjaka sy ny olona eo an-tanàna izay tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka noho ny tsy rariny tamin’ny raharaham-pitsarana nanjakan’ny fanararaotam-pahefana sy hafetsifetsena amin’ny fahalalana lalàna, ka nampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana tampony Antananarivo (sampana vandravana) amin’izao fotoana izao, satria ny olana misy ankehitriny dia tsy afaka miditra ao amin’ity Tranobe intsony rehefa misy maty fa eny an-tokotany no iandrasana ny razana. Toay izany koa ny fanaovana fetin-drazana isan-karazany toy ny famorana zazalahy … Hatramin’ny vato fanaovana joron’ny foko aza nalain’ity olona ity avokoa. Marihina fa nanomboka ny taona 2007 no niseho ny olana ary tsy mbola voavaha hatramin’izao. Mangataka ny famerenana ny fanadihadiana sy ny fijerena akaiky ity raharaha ity haingana ny mponina any an-toerana ka hamerenana ny tranoben’izy ireo amin’ny foko tompony mba ho fanajana ny soatoavina sy ny hasin’ny maha Malagasy, hoy ny loharanom-baovao nanamafy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.