Ho avy any amin’ny Faritra SAVA ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana Rakotomalala Lantosoa anio,
raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany. Hiantsoana avy hatrany ao Vohemar ny fiaramanidina hitondra azy, izay vao mandeha Antalaha sy Sambava. Vao andro vitsy lasa izay no tany an-toerana ny minisitry ny toekarena sy ny vola, Randriamandrato Richard, izay tonga tao Vohémar ihany koa. Manaitra ny mponina izao fihazakazahan’ireo minisitra mifandimby tonga any SAVA izao ary samy mandeha ao Vohemar, izay toerana mbola ahitana « bois de rose » betsaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.