Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty
tao amin’ny efitrano foana tao ambadiky ny efitrano fandrian-dRay aman-dReniny omaly Alarobia 17 Aprily tany Bealanana. Nifatotra akanjo mafana ny tendany nandritra ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia ny Reniny ihany no nahita azy voalohany raha nikasa hanaitra azy mba handeha hianatra omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora. Indrisy anefa fa vatana efa tsy mahare intsony no niandry azy tao ka nanosika itsy voalohany hampandre ny manam-pahefana. Fantatra tamin’izany fa vao kilasy fahadimy ity zazalahy kely ity izany hoe : hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE. Voahendrikendrika noho ny resaka hala-bola tao an-trano izy hoy ny fanazavana ka voakapoka. Antony mety nampafoy azy izany ka nitarika izao famonoany tena izao raha izay no tena marina. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Tahaka izao ny vatana mangatsiakan’ilay zaza novantanin-dReniny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.