Voatery mampiasa «groupe» ireo orinasa

1,5 litatra isaky ny adin’ny iray ny solika lany amin’ny delestazy


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Voatery mampiasa solona herinaratra na «groupe électrogène», «groupe» hoy ny filazan’ny olona mahazatra azy,

amin’izao fotoana izao hatramin’ny orinasa madinika toa ireo misehatra amin’ny endrika amam-bika na «salon de beauté» sy ireo mikirakira tekinolojia amin’ny fifandraisan-davitra na «cybercafé». Tsy maintsy ahodina ny orinasa, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra tamin’ireo orinasa nanaovana fanadihadiana teto Antananarivo renivohitra. Mitentina 7.200.000 Ariary eo ny vidina «groupe électrogène» iray mahasehaka ny filàna anatin’itony karazana orinasa madinika itony ary 1,5 litatra isaky ny adin’ny iray kosa ny solika lany amin’ny fotoanan’ny delestazy na fahatapahan’ny herinaratra lavareny voatery tsy maintsy hampiasana izany. 6 litatra izany no lany raha toa ka maharitra adin’ny 4 fotsiny ny delestazy ao anatin’ny andro iray. Mitaraina ho misedra fahasahiranana, noho izany, ireo mpandraharaha madinika manoloana ny fandaniana tsy maintsy atao nefa ny tolotra ho an’ny mpanjifa tsy tokony ovaina ny kalitaony. Ny sarany alaina amin’izy ireo ihany koa tsy afaka ampitomboina intsony satria iaraha-mahalala ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao fotoana izao. Ahiana hitombo koa etsy ankilan’izay ny tsy fisian’ny asa sy tsy fananan’asa manoloana ity olan’ny herinaratra sy rano ity satria ankoatran’izay dia iaraha-mahalala fa misy amin’ireo orinasa koa no tsy manana izay fahafahana hampiasa solona herinaratra izay. Eo ireo mpanety fa eo koa ireo mpivarotra sakafo ilàna vata fampangatsiahana isan-karazany, izay, mazava ho azy, mila herinaratra ihany koa. Milaza moa ireo mpandraharaha madinika sasany fa tsy maintsy hisy ihany ny fampiatoana tekinika amin’ny sasany amin’ireo mpiasa, raha izao no mitohy.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT