Voarohirohy amina raharaha maro

Voasambotra tany Toamasina i Rinah Rakotomanga


  • Talata 11 Novambra 2025

Araka ny vaovao ofisialy navoakan'ny

minisiteran'ny fitsarana halina dia voasambotra omaly hariva tany Antetezambaro, Toamasina Ramatoa Rinah RAKOTOMANGA sy ny vadiny. Raharaha famotsiam-bola, fanararaotana fahalalan'olona, fifanolanan-tombotsoa manokana eo amin'ny sehatra arak'asa ary ireo raharaham-pitsarana maro izay miandry azy no vesatra hanenjehana.azy ireo. tena mavesatra tokoa ary ho sarotra ny fiarovan-tena. Tsy mbola tafavoaka an'i Madagasikara araka ny sary sy serasera noezahany naseho.izany i Rinah R fa dia tratra tany Toamasina. Heverina fa niketrika fitsoahana an'i Madagasikara miainga any amin'ny morontsiraka atsinanana ity olona akaiky ny filoha teo aloha ity saingy saron'ny mpitandro filaminana izany fikasana izany dia izao izy voasambotra izao. Tsara ho marihina.fa efa avy talen'ny.serasera nandritra ny fitondrana Rajoelina no.sady lohandohan'ny mpisorona tao amin'ny Air Madagascar niofo ho Madagascar Airlines i Rinah Rakotomanga malohan'ny nanendrena.azy ho mpanolontsain'ny masoivoho Malagasy any Chine. Sokajiana ho anisan'ireo olona mahafantatra zavatra maro momba ny fitondrana Rajoeina izy. Andrasana ny ho tohin'ity raharaha ity .
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT