Voalevina omaly i Toky Rakotondrazaka

Naneho ny ahiahiny ireo fianankaviana, tsy hamela azy ho matimaty fahatany…


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

vaovao nampalahelo sy raharaha isan’ny nanaitra sy nampihetsi-po ny besinimaro

ny nahafatesan’ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry Rakotondrazaka Toky Niaina Mampionona. Nodimandry tampoka ny marainan’ny sabotsy 16 aogositra 2025 teo amin’ny faha-38 taonany. Namela mpitondra tena iray sy kamboty 3 mianadahy. Tontosa omaly ny fandevenana azy teny Mamoriarivo Talatan’i Volonondry, izay nanehoan’ny vahoaka tsy tambo isaina ny fara-veloma sy fara-fitiavana ho an’ity ben’ny tanàna vao erotrorony ity. Maneho sy nanamafy fianankaviany tamin’ny alalan’ireo rahalahiny nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo, fa tena mampiahiahy ny fomba nahafatesany. « Tsy mino izahay izay mahalala tsara ny toe-pahasalaman’i Toky manoloana ny filazana fa aretim-po no nahafaty ny rahalahinay. Tsy manana aretina mitaiza, mpanao fanatanjahantena, ary na tazo aza tsy mpahazo azy », hoy ireo fianankaviana. Nomarihin’izy ireo ihany koa, fa na ny fisian’ny valin’ny fitsirihana ny razana na « Autopsie » aza dia tsy nahazo izy ireo, eny fa na fampahafantarana ny fisiany (notification) aza tsy naharay izy ireo, ka mahagaga, hoy izy ireo, ny fisiana fanaparitaham-baovao milaza fa aretim-po sy fahafatesana voajanahary na « mort naturel » no nahazo azy.
TSY NANATRIKA NY «AUTOPSIE » NY FIANANKAVIANA
Nomarihin-dRakotondrazaka Ambinintsoa Faniry zandriny Faralahy fa tsy afaka nanatrika ny fanaovana « autopsie » ny fianankaviana na nangataka izany aza. Nanamarina ny fianankaviana fa tena nisy fanasana natao ity ben’ny tanàna ity nialohan’ny nahafatesany, saingy tsy fantatra mazava tsara ny mpanasa sy ny toerana nandehanany. Izy sy ny vadiny no niaraka ny maraina hatramin’ny 1ora tolakandro. Tsy fantatra mazava ny zavatra nitranga teo anelanelan’ny tamin’ny 1ora tolakandro hatramin’ny tamin’ny 9ora alina nodiany tao an-trano. « Tonga avy any mbola tsy naninon-tsy naninona, tsy hita mihitsy hoe : hafahafa. Nandoa tsy an-kijanona, nisy ra,… avy eo. Raha fijanonan’ny fo na « arrêt du cœur» tena tsy izay, mbola nahavita nilalao finday nialohan’ny nandehany tany hopitaly, mbola nilaza hoe : izaho angaha marary, saingy niha reraka, haingana be ny fahafatesana rehefa nandoa tsy an-kijanona, nandoa rà,… », hoy ny fianankaviany. Nanamafy ny zandriny zandriny Rakotondrazaka Tanjona Andriamparany, fa tena olona tomady, mpanao fanatanjahantena, mpitarika tanora izy, ary tsy nisy olana ara-pahasalamana na aretina nitaiza. «Raha olana sy tsindry ara-politika na olana arak’asa, dia tamin’ireny olana goavana ara-pifidianana ireny no tokony hisy an’izany, kanefa izy mihitsy no nanome toky fa efa milamina ny fipetrahany ho ben’ny tanàna, « tsy misy fika intsony », hoy kosa Rakotozanany Tsiriniaina Herizo zokiny manaraka azy.
« TSY AVELANAY HO MATIMATY HO VERY MOMOKA NY AIN’NY RAHALAHINAY ! »
Mikasika ny findainy, dia nomena safidy ireo fianankaviana na hanome izany na tsia, ka noho ny fanirian’izy ireo hahita ny marina dia nanaiky ny hitsirihan’ny manam-pahefana ny findain’itompokolahy Toky Rakotondrazana ny fianankaviana, ary maniry mba tsy sanatria hatao fitaovana politika na hilalaovana ny fahafatesan’ny havan’izy ireo amin’ny politika ny fiainankaviana, fa kosa mitaky sy maniry ny mba tena hivoahan’ny marina momba ity fahafatesana mampiahiahy ity. Taorian’ny fandevenana no hanohy ny zavatra natombok’izy ireo manodidina ny fahafatesan’i Toky Rakotondrazaka ny fianankaviana. Nanamafy izy ireo hikaroka sy hitady ny marina. «Tsy hipetra-potsiny amin’izao izy ireo, tsy hamela ny rahalahiny ho matimaty fahatany, ary betsaka ireo olona hanohana azy ireo », hoy Rakotozanany Tsiriniaina Herizo zokiny.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT