VOAFONJA AO ANTANIMORA

Efa tafakatra 5.000 isa latsaka kely amin’izao


  • Zoma 13 Desambra 2024

Efa tafakatra 5.000 isa latsaka ireo voafonja tazonina ao amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao raha 1.000 isa

no zakan’ny foto-drafitrasa. Ny 784 isa amin’ireo no vehivavy, 129 no tsy ampy taona raha lehilahy avokoa ny ambiny. Afaka mianatra ara-dalana avokoa ireo tsy ampy taona tazonina ao raha ny fanazavana azo raha omena fiofanana ny olon-dehibe. Olana kosa anefa ny fahateren’ny toerana antony mampirongatra ireo karazan’aretina toy ny aretin-koditra sy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Na izany aza tena manampy betsaka sy mamaha olana ireo tompon’andraikitra ny fisian’ny fonja vaovao ao Avaradrano. Raha ny vaovao azo hatrany mantsy dia efa mihoatra ny 100 ireo voafonja nalefa any an-toerana, mampihena ny isan’ireo mamita ny saziny tazonina etsy Antanimora. Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona ny tao amin’ny fonjaben’Antanimora. Ankoatra ny hetsika ara-patanatanjahantena dia hisy ihany koa ny fanentanana maro isan-karazany.
Pati
Legende : Mitombo isa isan’andro ireo voafonja eto amin’ny fonjaben’Antanimora !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT