Actualités

Voafonja 500 ao Antanimora Nahazo fanampiana tamin’ny fikambanana FMDV


  • Talata 02 Septambra 2014

Vary sy hena niampy bisikoitra sy lamba firakotra niaraka tamin’ny fitafiana samihafa no natolotry ny fikambanana FMDV (Fikambanana mandan’ny 50 taona vaovao) notarihan-dRtoa Zahra filohany sy ireo fikambanana mpiray dia aminy, an’ireo voafonja niisa 500 ny sabotsy teo tamin’ny fitsidihana nataon’izy ireo teny amin’ny fonjan’Antanimora

Ny vehivavy sy ny mitaiza kely, ny tsy salama tao am-ponja ary ny voafonja tsy ampy taona aloha no nezahina ho tratry ny fanampiana tamin’iny andiany iny, araka ny fanazavana nomen-dRtoa Zahra, satria voafetra ihany ny eo am-pelatanan’ny fikambanana izay mbola ao anatin’ny famelomam-tena tokoa ankehitriny  ka tsy ho ampy ny filan’ireo gadra rehetra.  Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihany FMDV ny tsingerin-taona voalohany niforonany izao hetsika izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT