Actualités

VITRINE DU VAKINANKARATRA Nahemotra amin’ny 02 septambra


  • Talata 26 Aogositra 2014

Vonona tanteraka ireo mpandraharaha manomana ilay hetsika ara-toekarena goavana ao Vakinankaratra dia ny “Vitrine du Vakinankaratra” andiany faha-17 izany. Raha ny nambaran’ny mpikarakara dia fantatra fa nitombo ireo mpandray anjara ary hivelatra bebe

kokoa amin’ny fanomanana ny tanora amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa ny hetsika ankoatra ny varotra fampirantiana ny vokatry ny orinasa isan-karazany izay efa mahazatra. Ho hita mandritra ny hetsika avokoa ny sehatra rehetra ahafantarana an’i Vakinankaratra na toekarena na kolontsaina sy ny maro hafa amin’ity indray mitoraka ity izay hiarahana amin’ny mpanohana ny hetsika sy ireo Minisitera mpiahy. Tanjona, raha ny nambaran’Atoa Ramarijaona Andrianjafy, ny hamerenana sy hanetsehana indray ny lafiny toerana izay mifanandrify indrindra amin’izao fivoahana ny krizy izao. Ireo mpandraharaha ara-toekarena tsy miankina amin’ny fanjakana no tena tompomarika amin’ny hetsika amin’ny alalan’ny Fikambanana FIOVA na ny “Fivondronan’ny Orinasan’i Vakinankaratra”. Marihina moa fa nihemotra noho ny fandaminana niarahana tamin’ny Minisitera sy ny mpanohana ny hetsika izy ity raha ny faran’ny volana no saika hanaovana azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT