Actualités

Vita ny fety Miatrika ny fiainana andavanandro amin'izay


  • Alakamisy 02 Janoary 2025

Ho an'ny fianakaviana sasany dia mety mbola hiitatra hatrany amin'ny herinandro voalohany

ny fety fifampiarahabana noho ny taom-baovao, misy kosa anefa ireo olona efa tena miverina tanteraka amin'ny asa amin'izay fa vita iny ny fety. Samy mba niezaka nanala azy kely moa nanadinoana ny sorispry sy ny vesatry ny fahasahiana; fa rehefa miverina amin'ilay fiainana mahazatra isan'andro dia mahatsapa fa mafy tokoa. Miditra tanteraka amin'ny maitso ahitra, efa ho 1100 ariary ny kapoakan'ny vary, nahagaga taloha ny hoe mandeha amin'ny singany ny fividianana ananana any amoron-tsiraka fa ankehitriny efa tena izany no iainana eto Antananarivo izay tany tena mpamokatra ananana sy legioma anefa. Tsy miteny intsony my vola madinika, 10, 20 ary 50 ariary. Vita ny fety , rehefa naloa ny hofan-trano, faktiora jirama, saram-pianaran'ny ankizy, nesorina ny saran-dalana ho an'ny mandeha miasa sy mianatra isan'andro, tonga dia tsy ampy ny karama raisima isam-bolana. Maro ireo tokantrano mitrosa sakafo, efa manana karnen-trosa hatramin'ny mpivarotra mofogasy, menakely, saribao, legioma amin'izao fotoana. Hita ireo fahasahiranana, loto, fikorontanana maro samihafa, savorovoro any anaty fiarahamonina, ny rano miandrona navelan'ny orana. Mbola any amin'ny tapaky volana aprily anefa vao ho vita ny fahavaratra dia asa fotsiny izay hiainana eto raha sanatria misy rivodoza tahaka an'i Chido nandravarava tatsy Mayotte tafiditra eto. Dia asa re .
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT