Vita malagasy

Voaporofo fa sady tsara no tsy lafo


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Voaporofo fa sady tsara no tsy lafo ny vita malagasy, raha mitaha amin’ireo vita vahiny.

Tsikaritra izany nandritry ny foara iraisampirenena momba ny fizahantany, ny asa tanana sy zava-bitan’ireo manan-kilema na International tourism fair Madagascar sy International handicraft fair Madagascar ny 20 hatramin’ny 23 jona teo teny amin’ny CCI Ivato. Amin’ny maha foara iraisampirenena azy moa dia nahitana ireo vokatra sy tolotra avy eto an-toerana sy ivelan’i Madagasikara teny. Teo amin’ny lafiny vokatra ara-tsakafo sy asa tanana, tamin’ny ankapobeny, no tena nahitana izay fihavahan’ny kalitao sy vidiny, izay sarotra ambatra hoe tsy mahaleo ny sarany nefa tsy mora, fa mirary izay kosa. Isan’ny nahitana izany, ohatra, ny teo amin’ny elanelan’ny vidin’ny abobo na «Yaourt» vita malagasy sy vahiny, izay raha 1500 Ariary teo ny vita vahiny dia 1200 Ariary kosa ny vita malagasy. Toy izany koa ny vidin’ny dobera. Raha 12.000 Ariary ny an’ny vahiny dia saika 10.000 Ariary ny vita malagasy. Azo ambara ho nitangoronan’ny mpitsidika kokoa ny vita malagasy, tamin’ny ankapobeny, ary tsy ny resaka vidiny ihany fa ny resaka kalitao mihitsy koa no antony, hoy ireo fanehoan-kevitra. Na ireo vahiny tonga teny an-toerana aza moa dia nanamarina izany. Nahasarika ireo vahiny izay isan’ireo mpitsidika rahateo moa, mazava ho azy, ny hitondra fahatsiarovana enti-mody any am-pitan-dranomasina any ka saika nahasarika azy ireo avokoa ireo asa tanana malagasy toy ny vita tamin’ny tanimanga sy hoditra na akora hafa mampiavaka izany vita malagasy izany. Hita ho efa mitombo ihany koa anefa, etsy ankilan’izay, ireo malagasy voasarik’izay vita malagasy izay ihany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT