Vita fianarana tany an-dafy ny zanaky ny Filoha

Rahoviana no mba hijery ny fampianarana eto ny Fanjakana ?


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Nahavita ny fianarana, nahazo ny diplaomany tao amin’ny Ecole de L`hôtellerie Lausanne any Suisse i Arena

Rajoelina izay zanaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, araka ny serasera niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly. Ity zanaky ny Filoham-pirenena ity izay efa manomboka ampidirina amin’ny raharaham-pirenena, raha raisina tamin’ny kabariny nisaotra manokana an-janany tamin’ny fampidirana ny Emirates Airlines teto ny septambra 2024. « Toy ny vao omaly no nitantanako sy nampianarako an’i Arena namindra. Androany, dia vita soa aman-tsara ny fianarany tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne, taorian’ny efatra taona. Nitombo, nianatra, ary indrindra indrindra, nahomby. Fifaliana sy rehareha ho an’ny Ray ny mahita ny fahombiazan’ny zanany. Ny finoana, narahina ezaka sy fikirizana, no nahatonga ny fahombiazana. », hoy i Andry Rajoelina omaly. Reharehan’ny Ray aman-dReny ny mahatafita zanaka, ary tsy misy tsy mikely soroka hampianatra ny zanany hatramin’ny faraheriny. Na izany aza, rahoviana ny zanaky ny Malagasy rehetra no mba hanana fahafahana tahaka izao ? Nahoana ny mpitondra Fanjakana no tsy mba tia mampianatra ny zanany eto ? Satria tsy mianatra eto ve ny zanaky ny Mpitondra dia atao tsirambina sy hamaivanina ny fampianarana eto Madagasikara?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT