Actualités

VILLAGE TOURISTIQUE MAHAJANGA Tsy misy jiro, lasibatry ny mpanendaka ny vahiny


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Lasa hanjakan'ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery tanteraka raha vantany vao manomboka eo amin’ny 06 ora hariva ny ao amin’ny Village Touristique Mahajanga.

Noho ny tsy fisian’ny jiro no voalaza fa antony mahatonga izany, asa tsy mbola nataon’ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga mihitsy. Ny finday sy ny firavaka no tena lasibatra amin’izany na dia efa miezaka manao ny asany aza ireo mpitandro filaminana. Mahatsiaro ho sahirana ihany koa mantsy ireto farany hoy ny vaovao noho ny tsy fisian’izay jiro manazava ny tanana izay. Ireo vahiny mpiala sasatra moa no tena hataon’ireo mpanendaka mahamay noho izy ireo mitondra ny zanany milalao eny amin’ny Village touristique amin’ny hariva. Velon-taraina noho izany ireo mpivarotra eny an-toerana. Ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe tahaka izao mantsy no mba fitadiavan’izy ireo vola nefa manjaka ny mpanendaka ka lasa matahotra ireo mpiala sasatra.
Pati
Legende :Tsy misy jiro mandeha intsony amin’ireto andrin-jiro hita amin’ny sary ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT