VILLAGE TOURISTIQUE AO MAHAJANGA

Maka olona 5 isan-taona raha kely…


  • Alarobia 08 Mey 2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

lehibe indray ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy. Tsy vitsy ireo efa nanomana ary mikasa hivoaka kely any amin’ny faritra noho izany mba hialana amin’ny rotoroto sy ny havizanan-tsaina nandritra ny taona. Hatreto dia mbola i Mahajanga no be mpisafidy indrindra ho an’ny faritra misy ranomasina. Rehefa vanim-potoana tahaka ireny anefa dia misy hatrany ny indrokely. Ho an’ny Village touristique manokana dia fantatra fa maka olona 5 isan-taona izy io raha kely ka vahiny ny ankamaroany. Rehefa nanontaniana ny antony mahatonga izany Pastera Heritiana Randriarimalala dia nambarany fa ny rano tsy misy lolo saingy mitombina kosa raha misy devoly. Noho ny fisian’ireo olona nambarany fa manompo sampy eo amin’io toerana io rehefa tsinam-bolana no mahatonga izany isaky ny amin’ny 04 ora sy amin’ny 05 ora maraina. Eo ihany koa ireo manao sorona hoy izy, antony mahatonga ireo razana tsy mety mivoaka ao anaty rano raha tsy hanaovana sorona ihany koa. Rehefa misy fiarovan’Andriamanitra anefa ny olona iray hoy izy dia voaaro amin’izany asan’ny devoly izany hatrany ka tsy tokony hisy hisaraka amin’Andriamanitra mihitsy.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala mahalala tsara ny tontolon’ny Fanahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT