Hatolotra ny fampanoavana rahampitso zoma 6 oktobra ilay Renim-pianakaviana
nahavita namono nahafaty ny zanany vao 4 taona monja tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Fokontanin’i Mangarivotra, kaominina ambonivohitr’ Antsiranana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia hita tao anaty lava-drano tao an-tanana ihany ny fatin’ity zaza tsy manan-tsiny ity ny datin’ny 3 oktobra lasa teo. Rehefa nanao ny fanadihadiana ireo polisy eo anivon’ny SRPJ Diana nanoloana izany dia fantatra fa ilay Reniny niteraka azy ihany no namono ilay zaza. Resaka vilanim-bary voadakan'ilay zaza tsy nahy raha tsiahivina no antony nanaovany izao habibiana izao ka niala tao aminy hatramin’ilay fon-dReny nitondra folo volana an-kibo. Raha araka ny fanazavan’ny psikology iray moa dia anisan’ny antony manosika Renim-pianakaviana iray hanao fihetsika tahaka izao ny hirifiry hatrehiny amin’ny famelomana ilay zaza, indrindra raha mananontena izy. Eo ihany koa ny fahitany ny fiainan’ireo manodidina azy izay tsy mitsahatra ny mivoatra hany ka miteraka hatezerana sy sorisory ho azy hatrany izany. Na izany aza anefa dia mila hatrehina amim-pilaminana hatrany ny fiainana. Tsy fidiny ho an’ireo tsy manan-tsiny ireny mantsy no nahatongavany ety an-tany izay adidin’ny Ray aman-dReny hatrany.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana sy ilay zanany novonoiny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.