Taorian’ny fifanatonana sy fifampiresahana teo anivon’ny koperativa Mada Omby sy ireo tompon’andraiki-panjakana dia nilamina ihany hatreto ny famatsian’omby ho an’Antananarivo, hoy ny filohan’ny koperativa, Tahiry Sambehafa.
Raha tsiahivina, ny volana mey teo no nampiato ny famatsian’omby ho an’Antananarivo ny koperativa. Izy anefa no mpanome ny 90%-n’ny henan’omby eto. Ny antsojay isan-karazany nampiharin’ireo mpitandro ny filaminana taminy no antony. Voalaza fa nakan’ireo mpitandro ny filaminana vola hatrany izy ireo niainga avy any Antsalova mandra-pahatongany taty Antananarivo. Ny fatiantoka vokatr’izay no nampiatoana ny famatsiana. Efa hita amin’izao fotoana ny marimaritra niraisana ary halalaka amin’izay ny famatsiana. Hisy fihenany aza ny vidin’ny omby, hoy ry zalahy avy eo anivon’ny Mada omby, ato ho ato.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.