Nahitana fidianany ny vidin-tsolika ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny dia teo anelanelan’ny 30Ar ka hatramin’ny 50Ar izany fihenana izany. Fanindroany io tato anatin’ny tapa-bolana izao.
Tsy ireo kaompania mpaninjara solika rehetra anefa no nampihatra io fampidinana vidin-tsolika io fa vitsivitsy ihany. Anisan’ny nampidina ny Shell. Fa ny nahagaga dia na samy mpaninjara ao anaty kaompania iray aza dia samy nanana ny vidin-tsoliny. Tsikaritra izany teo anivon’ny kaompania Jovenna.
Nisy hatrany tato anatin’ny tapa-bolana izao ny fifanatonana sy fifampidinihana, nifanaovan’ireo kaompania mpaninjara solika, izay saika orinasa frantsay ny ankamaroany, ny ofisy nasionaly misahana ny solika ary ny Minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika rahateo, ka mety ho izay no nitarika ny fampidinam-bidy ity. Amin’ny toe-javatra toy itony dia ny Fanjakana no mameno ny banga. Tsy haharitra ela anefa io fidinan’ny vidin-tsolika io, raha ny filazan’ny mpaninjara iray teo anivon’ny Jovenna fa amin’ity herinandro ity ihany dia mety hiakatra indray.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.