Actualités

Vidin-tsolika Niakatra mangingina ny sabotsy lasa teo


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Nisondrotra ny sabotsy alina teo ny vidin-tsolika teto amintsika. Lasa 3150Ar ny litatry ny gazoala raha 2 950 Ar izany teo aloha, izany hoe nitombo 200Ar

 
. Lasa 3 730Ar kosa ny lasantsy  sans plomb 95 raha toa ka 3 580Ar izany teo aloha, izany hoe nisondrotra 150Ar. Tao anatin’ny faran’ny herinandro somary lavalava taorian’ny fetim-pirenena ka somary nahavariana ny olona izany no nampiakarana ny vidin-tsolika. Maro ihany ireo gaga omaly alahady rehefa naka lasantsy ary inoana fa mbola maro ny ho taitra anio rehefa mahita io saran-tsolika vaovao io. Tsy nisy ny fampandrenesana mialoha, saingy efa tsinjo ihany izao tamin’ny faran’ny taona 2014 rehefa nivoaka ny resaka fa mikasa ny hampisondrotra ny vidin-tsolika hatrany amin’ny 600 Ar isaky ny litatra ireo kaompania lehibe miasa amin’izany eto amintsika. Nampimenomenona ny olona io fikasana io, hany ka nikaroka paikady hampitoniana ny rehetra ny fitondram-panjakana dia mba nampidinina ny vidin-tsolika tamin’ny febroary 2015, dia io izy nampiakarina tamin’ny sabotsy alina io indray .Tsy mbola fantatra izay ho fihetsiky ny mpitatitra manoloana ity tranga ity.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT