Actualités

Vidim-piainana Midina hatramin’ny 50% raha foanana ny MID


  • Alatsinainy 15 Septambra 2014

Nanambara ireo mpikambana ao amin’ny FMI Malagasy (Fahefa-Mividy Izao no takian’ny Malagasy) fa azo atao tsara ny mampihena ny vidim-piainana hatramin’ny dimam-polo isan-jato.

Raha ny fanazavan’izy ireo dia noho ny fisian’ny MID (Marché Interbancaire de Devises) no antony mampitotongana ny toekarena malagasy amin’izao fotoana. Araka izany dia tokony hampiharina ny fametrahana ny rafitra fifanakalozana vola vahiny tsy miovaova satria io no hampiakatra ny sandan’ny Ariary ka afaka mivelatra sy hanamora ny fifanakalozana ara-barotra tsy mitanila. Nilaza izy ireo fa antony maro no tokony hanafoanana ity MID ity, dia eo ny tsy fahazoan’ny vola malagasy atakalo any ivelany noho ny fepetra apetraka noho ny fisian’ity farany ihany. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny vola vahiny miditra eto an-toerana ka manery ny firenena hitrosa amin’ny Banky Iraisam-pirenena na ireo firenena hafa ka loza mitatao ho an’i Madagasikara. Nilaza ny FMI fa tokony hisy ny didim-panjakana hanafoana ilay didy nivoaka ny 27 aprily 2014 mitondra ny laharana 2004-731.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT