Niakatra nanomboka tamin’ity volana septambra ity ny vidim-bary manerana ny nosy, araka ny tatitra navoakan’ny Ivon-toerana mpandinika ny vary. Manodidina ny 1.300 hatramin’ny 1.400 Ariary, ohatra, ny kilaon’ny makalioka raha ny tsena eto Antananarivo no resahana
Antony maro samihafa no mahatonga io fiakarana io. Voalohany amin’izany ny fahasarotana amin’ny fampiakarana ireo vokatra eto an-drenivohitra noho ny toetr’andro ratsy. Ny fahavitsian’ireo mpivaro-bary kosa no nitarika ny fiakarana ho 3%-n’ity foto-tsakafon’ny Malagasy ity tao Alaotra. Ny fahamaroan’ireo mpanangom-bokatra kosa no anton’ny fisondrotan’ny vidim-bary hatrany amin’ny 25% ao Bealanana izay mamatsy ny faritr’i DIANA. Ny fahalanian’ny tahirim-bary tsikelikely indray no nampitombo ny vidiny ho an’ny faritr’i Vakinankaratra. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa anefa ny fiakaran’ny vidin-tsolika tamin’ny volana jolay farany teo. Mbola hitohy ny fiakaran’ny vidim-bary amin’izao ankatoky ny vanim-potoan’ny maitso ahitra izao ary tsy hijanona izany raha tsy ho tonga ny vanim-potoanan’ny varialoha amin’ny fiandohan’ny taona vaovao 2015, araka ny fanamarihan’ny Ivontoerana mpandinika ny vary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.