Tato anatin'ny herinandro farany, nisongadina ny fisondrotry ny vidim-bary eny an-tsena, ka nampikaikaika ary niteraka resa-be teny anivon'ny fiarahamonina.
Nisondrotra 20 hatramin'ny 50 ariary isan'andro ny vidin'ny iray kapoaka. Omaly hariva, saika manerana ireo mpaninjara, dia 650 ariary ny iray kapoaka, izany hoe mananika ny 2300 ariary ny iray kilao. Vidiny ankapobeny io fa misy ny vary somary ratsy kalitao, mora kokoa, ary misy ny kalitao avoavo, lafo vidy indrindra. Hiditra amin'ny vanim-potoanan'ny fahavaratra isika, izay fotoana fahalafosan'ny foto-tsakafo, indrindra ny vary. Raha mihazakazaka tahaka izao ny fisondrotry ny vidin'entana, tsy ho latsaky ny 5.000 ariary ny vidin'ny vary iray kilao, raha toa ka tsy misy ny fepetra raisin'ny fanjakana amin'ny alalan'ireo mpandraharaha, mpanafatra vary any ivelany.
Goavana ny fiantraikan'ny fisondrotry ny vidim-bary, ho an'ny tokantrano sokajy antonony sy ny ambanin'izay.
Mihena ny fatram-bary arotsaka am-bilany, ary mihena ihany koa ny lanjan'ny vary vidiana fa ny vidiny anefa tsy mihena. Raha nahavidy vary iray gony, ohatra, ny fianakaviana iray teo aloha dia lasa vary amin'ny kilao sisa no vidiana. Ho an'ny efa mpividy vary lanjaina amin'ny kilao kosa, dia lasa mividy vary amin'ny kapoaka, ary ny mpividy amin'ny kapoaka, lasa tsy misy hatokona…Ny vary betsaka, fa ny vidiny koa…betsaka.
Ntsoavina Evariste
Miakatra isan’andro nyvidim-bary eto amintsika
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.