Actualités

Vidim-bary eny an-tsena Hanasazy ireo mpanararaotra ny fanjakana


  • Talata 07 Novambra 2017

Mbola mampitaraina ny maro hatrany hatreto ny findangan’ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra fa ny any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo Renivohitra.

 

 Efa mahatratra 640  Ar  mantsy ny iray kapoaka amin’ny fotsimbary ho an’ireo vary zanatany toy ny vary gasy  na dia  nanambara aza ny minisitry ny varotra Atoa Chabani Nourdine omaly fa efa mitobaka be eto amintsika ny vary avy any ivelany. Anisan’ny ahitana izany ny ao amin’ny tsenan’Anosibe, hoy izy. Miantso  ny mpanjifa mba samy hitaky ny tena  vidim-bary marina hamidy eny an-tsena ity minisitra  ity. Misy amin’ireo mpivarotra mantsy no tsy mametaka ny vidiny intsony  fa ny mpividy indray no manontany, fihetsika hasehon’ireo mpaka tombony sy  ireo mpanararaotra hamonoana  ny madinika. Ho an’ireo izay tratra  dia hisy ny sazy henjana omena  azy ireny. Tsiahivina fa hisy ny mpanara-maso alefan’ny minisitera any amin’ireo faritra ivelan’Antananarivo Renivohitra manomboka izao mba hanara-maso akaiky ny vidim-bary.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT