Actualités

Vidim-bary eny an-tsena Amin’ny novambra vao hilamina


  • Talata 03 Oktobra 2017

Manodidina ny 2000 ariary amin’izao fotoana izao ny kilaon’ny vary eny an-tsena.

  Raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana dia tsy mifanaraka ny tolotra sy ny tinady eo amin’izay resaka fandraharahana ara-bary eto amintsika izay ka mahatonga ny fiakarana. Efa tsy ampy antsika intsony ilay vary hafarana amin’ny kaontenera izay tsy mahatonga afa-tsy 200 hatramin’ny 1000 taonina satria efa mitombo isa ny Malagasy. Mila eo amin’ny 100.000 taonina isan-taona eo mihitsy isika, raha ny fanazavana, ary izay no hanaovana antsoavo amin’ireo mpandraharaha hoe mila mitahiry maro satria rehefa betsaka ny miditra avy any dia mihena ny vidiny. Sambo mihitsy hoy ny minisitry ny varotra sy fanjifana, vao ampy satria manodidina ny 30.000 taonina ka hatramin’ny 120.000 taonina any no tanjona. Dia aiza ho aiza moa izany ny mikasika ny famokarana anatiny manoloana izany fanambaran’ny minisitera izany ? Marihina fa amin’ny faran’ny volana novambra izao, raha tafapetraka io paikady io, no miverina amin’ny laoniny ny vidim-bary, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT