Actualités

Very tsinjodia ny malagasy Maro ny fomba fiteny sy fihetsika hahafantarana izany


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Maro ny fomba fiteny sy fihetsika hahafantarana fa very tsinjodia na "repères" ny malagasy

ary na ny mpanao gazety na ny mpitandro ny filaminana dia samy manao ilay fahadisoana avokoa, hoy ny fanehoan-kevitrana olompirenena iray omaly. Mpangalatra «à droite» ny fiara iray; fomba hilazany fa mandeha amin'ny ankavian-dalana ny fiarakodia iray raha tokony hizotra amin'ny sisiny havanana. Tsy fantatra ny fomba hilazany ny hoe "serrez à droite". Mandeha "sens unique", hilazany ny nitsofoka "sens interdit"zotra tsy azo aleha ilay fiarakodia. Mifangaro ao an-tsainy ny "tsy azo ijanonana" sy ny " tsy azo itoerana". Raha misy fiarakodia mijanona eo ambany takelaka "tsy azo ijanonana" dia jeren'ny polisy fotsiny. Toy izany koa ireo fiarakodia mijanona eny ambony tetezana. na anaty fiolanana. Lojika ny "arrêt bus" na fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka ao anaty ‘’croisement’’ na fiolanana. Misy amin'izy ireo aza eo anoloan'ny biraon'ny zandary sy kaominina mihitsy. Tsy olana mihitsy ny mijanona na mitoetra na manao "manœuvre" ao anaty sapanan-dalana. Rehefa mijanona ‘’STOP’’ ianao dia ‘’klaxonner‘’-n'ilay fiarakodia ao afara na ampanenoiny anjomara. Rehefa hivily ankavia ny fiarakodia iray dia famantarana hivily ankavanana no alefany. Rehefa hiantso olona any an-tranony izy dia «klaxon» no alefany na dia amin'ny 3 ora maraina aza fa tsy midina mampaneno «sonnerie» na kiriorioka. Miantso ny ao an-trano amin’ny finday. Tsy fantany intsony fa rehefa mandoa vola sy mandeha fiara fitateram-bahoaka izy dia misy tapakila raisiny rehefa avy mandoa vola izy. Ny fanjakàna ihany koa tsy mahafantatra intsony hoe inona no dikan'iny tapakila iny? Tsy misy polisy misava intsony ilay tapakila. Amin'ny ankapobeny, rehefa miresaka amin'ny olona iray ianao dia mifangaro ao an-tsainy ny voambolana rehetra. Kamo izy ny hieritreritra fa ianao no miezaka mametraka rafitra sy miteny ara-drafitra no lazainy fa adala sy ohatrin’ny olona tsy manan-katao, hoy hatrany ity fanehoan-kevitra ity.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT