Verezin-jo sy manary zo !

Samy mitsakotsako isika rehetra taorian’ny fifidianana vita omaly e !


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Ny tsikaritra omaly aloha ankoatra ireo lalao maloto tamin’ny endriny maro dia ny tsy fahavitrihan’ny mpifidy.

Betsaka no mety ho antony ka anisany ny hoe : na efa nisy aza ny famoahana didim-panjakana nandidy fa andro tsy iasana fa andraisan-karama ny omaly dia tsy izay no niseho. Betsaka ireo voatery sy noterena hiasa, ka efa ny takariva vao niezaka namonjy birao fandatsaham-bato ny maro ! Mbola betsaka ihany koa ny tratry ny fandemen-tsaina hoe : na mandeha mifidy na tsia dia efa ry anona ihany ho lany eo ! Indrisy mantsy, mbola mila ezaka be ilay fiantsoana ny maro an’isa ho tonga saina, mbola nofy hatreto izany taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana ankampobeny hahatratra 80-90% izany, mbola lavitry ny kitay fifidianana madio sy milamina ary handraisan’ny rehetra anjara ! Asa rahoviana vao tsy hanaiky verezin-jo sy hanary zo izay vao mainka poizina ho an’ny firenena ? Mila maka lesona foana ary tsy indray mandeha no manta vary dia handevin-tsotrobe, fa mbola be ny ho avy e !
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT