Velaran-tanin’i Madagasikara

28% miroso ho lasa tany hay


  • Zoma 14 Jona 2024

Ankalazaina nanomboka omaly 13 jona 2024 ao Ankilisoafilira Toliara ny “Andro

maneran-tany ho an’ny tontolo iainana” sy ny “Andro maneran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany”. Haharitra 3 andro ny fanamarihana ka lohahevitra itondrana azy ny hoe : « Ny tany : fananatsika, harenatsika : andao ho arovana tsy ho tratran’ny haintany». Raha ny antontan’isa, mampivarahontsana ny fahasimban’ny tany eto Madagasikara satria ny 28 % amin’ny velaran-tanintsika no miroso amin’ny tany hay. Ny faritra 13 amin'ireo 23 no ahitana firosoana amin'ny tany hay. « Maro ny voka-dratsy ateraky hain-tany, isan'izany ny tondra-drano, ny fahasimban'ny tany izay miteraka fahavoazana ho an'ny mponina, ka mitarika mosary sy fahantrana », hoy ny Minisitry ny tontolo iainana Max Fontaine Andonirina. Nambara fa manana politika sy paikady hisorohana sy hanarenana izany ny Minisitera, ankoatra ny fandaharan'asa anatin'ny fifanarahan'ny Firenena mikambana hiadiana amin'ny fahasimban'ny tany (UNCCD) toy ny fitantanana maharitra ny ala. Ny 5 jona no daty napetraky ny Firenena mikambana hankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana raha 17 jona kosa ny andro maneran-tany hiadiana amin'ny fihangazanana sy ny haintany, fa nisafidy ny hankalazana izany mitambatra mandritra ny 3 andro I Madagasikara noho izy samy mametraka ho zava-dehibe ny fiarovana ny tany. Taratry ny fahapotehan’ny tontolo iainana io fitomboan’ny tany miroso ho tany hay io, izay midika fa tsy nahomby ny fitantanana, zary atao fitadiavana famatsiam-bola ny resaka fiarovana ny tontolo iainana, kanefa tsy tena hita izay zava-banona, mitohy ny famotehana, ripaka ala sy zava-maniry ary ny biby arovana, manjaka ny trafika indrindra rehefa ao anaty vanim-potoana politika, toy io resaka trafikana sokatra an’arivony tany Thailande sy 400 tany Comores, ankoatra ireo varika efa ho 50 isa,… Tany mbola azo trandrahana sy hamokarana tsara isika, saingy tsy voajary, ratsy tantana, atao tantely afa-drakotra,…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT