VEHIVAVY TIA TANINDRAZANA

Namboly zana-kazo an-jatony teny Ambanitsena


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Nahavita ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra azy ny Vehivavy Tia Tanindrazana.

Niara-nirodorodo namboly hazo teny Ambanitsena mantsy izy ireo afak’omaly Sabotsy 08 Martsa, fotoana nanamarihana ny andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy. Zana-kazo an-jatony no novolena teny an-toerana no fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Toraka izany koa ny famerenana an’i Madagasikara indray ho maitso volo tao anatin’ilay lohahevitra hoe : “Vehivavy mijoro, vehivavy mandray andraikitra, vehivavy Tia Tanindrazana. Ny vehivavy no fototry ny aina, fototry ny fiainana, ary fototry ny fahaveloman’ny tontolo iainana ihany koa. Ny fambolen-kazo tahaka izao araka izany dia fihetsika feno hery sy fitiavana, fanomezana ho an’ny taranaka ho azy ireo. Mpikambana marobe no tonga nandray anjara tamin’izany izay samy mbola vonona ny handray ny andraikiny hatrany amin’ny lafiny rehetra ho fampandrosoana ny firenena.
Pati
Legende : Nandritra ny fambolen-kazo notanterahina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT