Actualités

Vehivavy sy ny raharaham-pirenena Zara raha 6% ny taham-pandraisan’anjara hatreto


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Nampitondraina ny lohahevitra hoe “Ahoana no fomba hampiakarana ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-panjakana sy ny fanapahan-kevitra eto Madagasikara”

ny atrikasa niarahana tamin’ny filankevi-pirenen’ireo vehivavy eto Madagasikara na CNFM tetsy amin’ny PK 00 Soarano omaly. Araka ny fanazavan’ny filohan’izy ireo, Estelle Andriamasy, dia mbola ambany dia ambany ny taha mikasika izany. 6% eo, hoy izy, izany amin’ny ankapobeny. 5% ny vehivavy ben’ny tanana izao. Latsaky ny 20% ny vehivavy ao amin’ny antenimieram-pirenena. 34% ny vehivavy minisitra. Ny governora moa dia miisa 2 ny vehivavy amin’ireo faritra 23. Ahitantsika izany fa mbola ambany ny taha mikasika ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-panjakana sy ny fanapahan-kevitra eto Madagasikara. Nasaina tao anatin’izao, noho izany, ireo mpandinika fiarahamonina mba hamahavaha ireo sakana ara-kolontsaina mifandraika amin’izany eto amintsika. Eo koa ny fomba amam-panao mbola tsy manome sehatra ny vehivavy. Efa betsaka koa ny asa nataon’ny CNFM mikasika ny fanentanana ny tanora sy vehivavy ary manana fahasembanana momba izany. Nasaina koa ireo vehivavy solombavambahoaka hanao fijoroana vavolombelona hoe ahoana ny fanamby natrehan’izy ireo nilatsahany ho isan’ireo olom-boafidy eto Madagasikara. Nifampizarana teto, noho izany, ny vokatr’ireo fanadihadiana natao mahatonga ireo sakana sy ny torolalana ahafahana mampiakatra izany taha izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT