Actualités

Vehivavy mpisoloky avy nigadra Nidoboka indray fa nanodina 3 tapitrisa ariary


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Nidoboka am-ponja indray i Herinala Veronique, 35 taona. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly na ny SCLC etsy Anosy izy ny alakamisy 2 novambra maraina teo,

 teny an-tranony eny Andavamamba noho ny resaka fisolokiana. Ny 18 oktobra 2017 lasa teo dia nisy olona tonga tao amin’ny biraon’ny polisin’ny SCLC nametraka fitoriana mahakasika fisiana vehivavy iray nisoloky azy ireo. Voalaza fa vola 3 tapitrisa ariary no lasany. Milaza ho mahafantatra fikambanana manampy olona sahirana sy maty vady avy any ivelany i Veronique. Nilaza izy fa mila mikarakara taratasy marobe mba hahafahana mahazo ilay fanampiana ka izay no antony nakany ireo vola be ireo. Rehefa tonga anefa ny fotoana hahatongavan’ilay fanampiana dia narirarirany teny ireo olona nosolokiany. Nanomboka teo dia tsy hita intsony izy. Nandritra ny famotorana natao azy no nahalalana fa efa fanaony ny misoloky olona toy izao. Fantatra ihany koa fa efa nigadra izy noho io resaka io ihany. Natolotra ny fampanoavana omaly ny tenany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT