VEHIVAVY MPIASAN’NY ORINASA STAR

Nijery ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza…


  • Talata 11 Martsa 2025

Tsy nandalo fotsiny ny datin’ny 08 Martsa nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena

ho an’ny Zon’ny Vehivavy ho an’ireo vehivavy mpiara-miasa eo anivon’ny Star. Vehivavy miisa 133 avy amin’ity orinasa ity manerana an’i Madagasikara no nanatanteraka izany. Ankoatra ny fambolen-kazo tany amin’ireo Akany fitaizana zaza dia nizara fitaovam-pianarana teny amin’ireo sekoly eny ifotony ihany koa izy ireo. Mikasika ny lafiny ara-pahasalamana manokana dia nomen-danja ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Tonga nanolotra « concentrateurs d’oxygène » sy fitaovana fikarakarana ho an’ny tera-bao teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny fiterahana sy ny fitsaboana zaza izy ireo. Nisy ihany koa ny fanolorana fandriana sy kidoro mitentina 18 tapitrisa Ariary ho an’ny CHU Antsiranana. Notsarovan’izy ireo manokana ihany koa ireo vehivavy voatazona any an-tranomaizina izay notoloran’izy ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro. Tsiahivina moa ho an’ny oronasa Star fa mitovy ny fandraisana sy fikararana ny lehilahy sy ny vehivavy. Ireo lehilahy sy vehivavy misahana asa sy andraikitra mitovy dia mandray karama mitovy ary tsy misy ny asa natokana ho an’ny lehilahy na dia ilàna fahaizana ara-teknina sy tanjaka ara-batana aza. Vehivavy dimy ihany koa no Tale eo anivon’ny STAR ka ny 2 amin’izy ireo dia mpikambana ao amin’ny Komity Mpitantana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fanampiana ho an’ireo vehivavy vao tera-bao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT