Actualités

“Vehivavy mitsinjo ny ankohonany” Novakiana ireo vatan-drakitra teny Ambohimanarina


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Mitohy hatrany ny hetsika sosialy ataon’ny depiote Rasoanoromalala Marie Horace avy amin’ny antoko TIM eny amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina nahavoafidy



 azy ka  ho fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra 2017 – 2018 dia nanampy ireo renim-pianakaviana 21 mirahavavy tamin’ny Fomba hafa dia ny VATAN-DRAKITRA VILANY TANY izay nozaraina tamin’izy ireo ny fiandohan’ny volana aogositra 2017 ka nanampy nameno izay voavorin’izy ireo ny tenany rehefa novakiana izany ny 29 septambra lasa teo. Nisy ny voka-tsoa azo satria dia afa-pahasahiranana ireo renim-pianakaviana. Ny alatsinainy 2 oktobra nandritra ny fanombohana fotoam-bavaka fitaizam-panahy  isaky ny alatsinainy notarihin’i Trimozafy Dinah mpitandrina izay karakarain’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, isaky ny boriborintany dia tonga niatrika izany ireo renim-pianakaviana sy ny depiote Horace ka taorian’ny fotoana dia nisy indray ny fizarana vatan-drakitra vaovao andiany faha 2 ho an’izy ireo entina hanomanana sahady ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona 2017. Naheno izany ireo namana hafa tonga tao dia nanatevin-daharana ireo vehivavy mitsinjo  ny ankohonany ka nitombo avo roa heny ny vata izay nozaraina. Izao no natao dia tosika sahady ho fandraisan’ireo renim-pianakaviana ny hoaviny sady hampitombo ny talentan’izy ireo ihany koa. Tsy nohadinoin’ny “adjoint Delegue au Maire »,  Atoa Sitraka sy ny depiote Horace ny nanentana ny olona izay tonga tao hitandro mandrakariva ny Fahadiovana satria efa mihanaka manerana ny tanàna ny pesta ka mila mandray andraikitra ny tsirairay hadio.

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT