Betsaka ireo olona nihatra ilay tovovavy mpiasa an-trano may irery tao amin’ilay trano
niasany tany amin’ny distrikan’i Mampikony. Mipetraka any amin'ny Fokontany Ambinda, Kaominina Soavina, Distrikan’ Ambatofinandrahana izy raha tsiahivina ary efa tonga any an-tanindrazana soa aman-tsara. Efa mba azoazo ny fahasalamany ankehitriny vokatry ny fitsaboana natao azy. Nanome fanampiana ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sady Solombavambahoakan' Ambatofinandrahana Rtoa Christine Razanamahasoa. Teo koa ireo namana sy tapaka marobe ka nitontaly 7 hetsy Ar teo ny vola voaangona tamin’izany. Naterina an-tanana tao antokatroniny, moa izany fanampiana izany. Efa tsy misy dada intsony izy, Ny reniny koa tsy eo raha ny Renibeny no hipetrahany. Nomena azy moa ny vola ny sasany mba hividianany sakafo hiatrehany ny fahasitranany. Any amin’ny 11km miala an'ny Soavina mantsy no misy ny trano fonenany, tsy tongan'ny fiara ka sakafo natao haharitra azy mandritra 1 volana izany.
Pati
Legende : Ilay vehivavy may mbola karakaraina eo am-pandriana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.